Raim-pianakaviana iray sy olona iray hafa voasazy higadra 9 volana an-tranomaizina, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Voaheloka noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fampandosirana lehilahy iray nahafaty olona tao amin’ny fokontany Ambohibary Kofay, kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ireo olona roa ireo. Nitrangana vono olona tao amin’io fokontany io, ny alin’ny alakamisy 24 jolay 2025, tamin’ny 2 ora maraina. Nisy lanonam-pamadihana tao amin’io tanàna io, nisy lehilahy iray efa mamo nanakorontana tampoka. Nodakadakany ny latabatra. Nandamina ary niteny an’io mpanakorontana io mba hilamina ny lehilahy iray atao hoe Lahatra. Niverina tampoka anefa ilay mpanakorontana ka nolerany antsy avy aoriana ilay lehilahy nandamina. Voa teo amin’ny fony ity farany ka namoy ny ainy. Nikorontana ny iray tanàna ary nifanenjehana io nahavanon-doza io. Sarona tao amin’ny trano fonenany ilay nahavanon-doza izay mbola nihosin-dra ny akanjony. Narovan’ny rainy ity lehilahy ity. Nofatoran’ny mpitandro filaminana izy mba hoentina hatao famotorana. Nanakorontana tampoka anefa ny rahalahin-drain’io lehilahy namono olona io. Nanenjika azy ireo fokonolona kanjo tafaporitsaka tsy hita ilay lehilahy tena nahavanon-doza. Notazomin’ny manam-pahefana ny rain’io namono olona io sy ny rahalahin-drainy. Voampanga ho tompon’antoka tamin’ny fampandosirana ilay tovolahy izy mirahalahy ireo. Niakatra fampanoavana ny raharaha. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo. Niakatra fitsarana ka voasazy 9 volana miampy lamandy 5 tapitrisa Ar izy ireo. Etsy ankilany, miantso ny manam-pahefana hikaroka ilay lehilahy tena namono nahafaty ny zanany ny ray aman-drenin’i Lahatra.
Tsiferana R.




