VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 6 500 indray ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra fa ao anatin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny vokatra izao. Avy any Ambatomanoina sy Mampikony ary Morondava no tena mamatsy an’Antananarivo. Efa nahatratra 8 000 Ar ny kilaon’ny tonglobe tamin’ny taona 2025 amin’ny vanim-potoana toy izao. Tafakatra 3 000 Ar ihany koa ny kilaon’ny ovy vaventy.

Miisa 65 ny mpamily fiara vaventy nahavita fiofanana manokana. Niompana tamin’ny fanamafisana ny aroloza amin’ny fifamoivoizana izany. Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny orinasa Henri Fraise sy ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM) ary ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ATT. Araka ny antontanisa, avy amin’ny fiara vaventy no mahatonga ny 13,6% ny lozam-pifamoizana eny amin’ ny lalam-pirenena, izany hoe, 760 amin’ny 5 582.

Hifantoka amin’ny fandraharahana eny ambanivohitra ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fam­bolena (Miasa) sy ny Onudi. Ao anatin’izany ny fanohanana ny seha-pihariana miainga any amin’ny famokarana, ny fanodinana ary ny fidirana amin’ny tsena. Tanjona ny hampivelarana ny mpamokatra matihanina, hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Partager sur: