Ravan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) ny fikasan’ny jiolahy hanafika mpandraharaha iray hanatitra vola teny amin’ny banky, omaly maraina. Jiolahy miisa telo, lavon’ny bala tetsy Andohatapenaka akaikin’ny CDA, tamin’ny 6 ora maraina.
Nahazo vaovao marim-pototra avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) fa misy andian-jiolahy mikasa hanao fanafihana mitam-piadiana eny an-toerana. Nidina an-tsehatra nijery ny zava-misy sy nanao ny paikady avy hatrany izy ireo taorian’izay. Natao ny fanarahan-dia ireo jiolahy miisa telo, nitondra moto sy fiara Peugeot 309 miloko fotsy. Nijanona teo amin’ny Lavage CDA Andohatapenaka izy ireo, toerana nivoriana farany mialoha ny hanaovana ny fanafihana. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisy nandritra izany. Namoaka basy anefa ireo jiolahy vantany vao nahita ireo polisy ka raikitra ny fifandonana. Tsy maintsy niaro tena ny mpitandro filaminana ka voatifitra ny telo tamin’izy ireo. Nisy ireo namany hafa izay tafatsoaka tamin’ilay fiara sy moto nandritra ny fifandonana. Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo.
Nahitana bala dimy ny basy poleta efa voafahana teny amin’ireo jiolahy voatifitra ireo. Nahitana sabatra iray sy antsy maranitra iray ary “Big Boss” roa ihany koa teny amin’izy ireo rehefa nosavain’ny polisy. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika izao hetsika izao.
Mino




