Fitaterana kaontenera: Hentitra ny fanaraha-maso ireo fiarabe

Manamafy ny fepetra horaisina, manoloana ny tsy fanajana ny fenitra ara-piarovana amin’ny fitaterana kaontenera, ny fitondram-panjakana. Hita mantsy fa mbola misy ny mpitatitra tsy manaraka ny lalàna, araka ny didy lah-148 823/2003, indrindra ny fampiasana ny « twist lock », izay fitaovana fiarovana tsy maintsy ampiasaina hitazomana ny kaontenera eo ambony fiarabe. Mazava ny hafatry ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Andrianavalona Herizo, ny 22 avrily teo, « tapitra ny dingan’ny fanentanana, hapetraka ny sazy ho an’ireo minia tsy manaja ny lalàna. Ho hamafisina ny fanaraha-maso, saziana, tsy ankanavaka, ireo mpandika lalàna ».
Misy avy hatrany ny fandraisan’ny minisitera sy ny rantsamangaika samihafa andraikitra, toy ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ohatra. Nidina ifotony, misava eny amin’ny lalam-pirenena RN 2 ary hampihatra ny lalàna manan-kery.
Tsiahivina fa indroa no nisian’ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika, tato anatin’ny iray volana, vokatry ny fiarabe nitondra kaontenera, nivadika, ary nianjera tany amin’ny fiara hafa. Teny Manjakandriana ny iray, ary tany Antsampanana ny faharoa.
Hisy ny atrikasa ara-teknika mahakasika ny « twist lock », hatao any Toamasina, anio 24 avrily.

Njaka A.

Partager sur: