Manohy ny firotsahany an-tsehatra ny orinasa QMM any Taolagnaro, hisian’ny mangarahara sy ny fitantanana ny rano any an-toerana. Ampiasaina ny vato sokay hanatsarana ny kalitaon’ny rano.
Nivoaka ny tatitra fahefatra mahakasika ny rano ampiasain’ny orinasa QMM any Taolagnaro. Mahafaoka ny vanim-potoana novambra 2024 hatramin’ny oktobra 2025 ity tatitra ity. Fantatra fa naverina nampiasaina ny rano rehetra ilaina tamin’ny fitrandrahana, tsy nisy fampidirana rano vaovao avy any ivelany, ao anaty toeram-pitrandrahana. Mitovy ny kalitaon’ny rano ao amin’ny reniranon’i Mandromondromotra any an-dohany sy any amin’ny farany. Efa am-perinasa ilay fomba vaovao ampiasaina, hitantanana ny rano mihoatra, ny lakandrano, tatatra antsoina hoe « canal Peak Flow ». Natao hamoahana ireo rano mihoatra ity lakandrano ity, manaja ny fenitra iraisam-pirenena napetraka. Mandalo amin’ny tatatra manokana namboarina tamin’ny vato sokay, akora azo eto an-toerana ihany, manatsara ny kalitaon’ ny rano avoaka. Jifaina eto an-toerana tanteraka io vato sokay io, raha nafarany tany ivelany tany aloha.
Marihina fa nampifandraisina tamin’ny vanim-potoana firotsahan’ny orana eto Madagasikara sy any Taolagnaro no nanatanterahana ity fanadihadiana nataon’ny QMM ity. Atao isan-taona izany mba hanomezana antoka ny besinimaro, hisorohana ny fandikan-diso, nahatonga resabe tany aloha.
Njaka A.




