Nihotsahan’ny tany tanaty kariera : Roa lahy mpitrandraka vato maty

Nozeran’ny tany, tsy tana ny ain’ny mpitrandraka vato roa lahy tao amin’ny karieram-bato tao amin’ny fokontany Marojao, kaominina Andranomiely Atsimo, ny alarobia 22 avrily teo. Ni­asa tao amin’io toerana io ireo mpitrandraka. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo rehefa nidina tany anaty lavaka mirefy 4 metatra. Nianjera tampoka ny tany manodidina an’io lavaka io. Tavela tao izy roa lahy ka nifamonjen’ireo mpiara-miasa aminy. Nanao sarotra anefa ny fanavotana azy ireo noho ny hatevin’ny tany nanindry ireo roa lahy. Naharay antso ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zana-tobim-paritra Andranomiely. Nitondra ny vatan-dehilahy sy ny mpitsabo miasa eo anivon’ny CSBII. Nigadona tao amin’ny Kariera izy ireo tamin’ny 2 ora tolakandro. Tsy mbola tafakatra tao anatin’ilay lavaka anefa ireo olona roa. Nanohy ny asa fikarohana izy ireo sy ny mpitrandraka sasany. Tafavoaka tao anatin’ny lavaka ireo roa lahy nokarohina tamin’ny 3 ora sy sasany. Tsy nisy aina intsony anefa izy mirahalahy. Fahasemporana vokatry ny tsy fisian-drivotra niampy ny vesatra vokatry ny fianjeran’ny tany no nitarika ny fahafatesan’izy ireo, araka ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo.

Tsiferana R.

Partager sur: