Tao anatin’ny 20 taona : Miisa 24 799 ny orinasa voasoratra eny amin’ny EDBM

Tsara ny vokatra ho an’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny 20 taona niorenany. Navaozina ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny « Guichet unique » sy ny niomerika. Vita ao anatin’ny 48 ora ny fananganana orinasa. Mahatratra 24 799 ireo voasoratra.

Nanao jery todika sy nampahafantatra ny vinan’asany ny EDBM amin’izao fankalazana ny faha-20 taonany izao. Niorina ny taona 2026 ity sampan-draharaha misahana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ity. Tao anatin’izay, mahatratra 24 799 ireo orinasa voasoratra, nanampy ta­min’ny fanatanterahana izany ny fampiasana ny «Guichet unique». «Namoraina tanteraka ny dingana fisoratana anarana sy ireo fepetra takiana mba hisarihana ireo mpampiasa vola», hoy ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle, tetsy Antaninarenina. Anke­hitriny, manodidina ny 60% ny orinasa no efa miorina ara-dalana ho porofo ny fampiroboroboan’ny fandraharahana eto an-toerana. Nanampy tamin’ny fanatantarehana ny asa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Vita ao anatin’ny 48 ora amin’izao fotoana ny fananganana ny orinasa. Nampitsisy fotoana ho an’ireo mpandraharaha ny fampiasana ny niomerika amin’ny alalan’ny ireo vovonana Orinasa sy e-work, raha ny fanazavana hatrany.
Vina
Fanamby lehibe apetraky ny EDBM ny hanohana ireo orinasa mandritra ny androm-piainana. «Atao laharaham-pahamehana ny fanaraha-maso ny orinasa aorian’ny fananganana azy», hoy hatrany ny tale jeneralin’ny EDBM. Hanamafy ny andraikiny ihany koa ny sampan-draharaha. Izy rahateo no mpanelanelana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Ankoatra izay, dingana lehibe ao amin’ny fampiasam-bola ny fankatoavana ny lalàna momba izany tamin’ny taona 2023. «Mampifanaraka an’i Madagasikara amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany sady mampitombo ny fahatokisan’ny mpampiasa vola», hoy ireo komity mpikarakara ny fankalazana. Ankilany, mikasa hanavao ireo ratsa-mangaikany any amin’ny faritra ny EDBM hanatsarana ny rafitry ny fandraharahana. Nambarany fa izy no sampan-draharaha be mpanaraka indrindra ao amin’ny tambazotra sosialy satria mahatratra 50 000 ireo mpanaraka azy.

Henintsoa

Partager sur: