Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana ny niomerika ny CNTEMAD. Amin’ny maha «Université virtuelle» azy, manamora ny fampianarana ambony izy amin’ny fampiasana ny teknolojia toy ny finday mba hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaovana teo aloha. «Mampiavaka ity rafitra vaovao ity ny fahafahan’ny rehetra misitraka fampianarana na aiza na aiza misy azy», hoy ny tale nasionalin’ny CNTEMAD, Pr Rakotomahenina Pierre Benjamin, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika “CNTEMAD Discovery Days”. Hetsika atao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina, Mahamasina. Amin’ny maha ampitain-davitra azy, fanamby ny hametraka ivon-toerana hahafahan’ny mpianatra tsy manana fitaovana misitraka fiofanana sy mihaona mivantana amin’ireo mpampianatra. Hanampy amin’ny fampitaovana sy fanatanterahana ny tetikasa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Toy ny minisiteran’ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Paositra Malagasy, ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Ankilany, hanamora ny fandoavana ny saram-pianarana ny fiaraha-miasan’ny CNTEMAD amin’ny Orange money. Mpiara-miombon’antoka amin’ity sampam-pianarana hampitain-davitra ity ny Paositra Malagasy.
Henintsoa




