Araka ny antontanisa ofisialy, very fotsiny ny 15% ny voka-bary eto amintsika. Antony, tsy ampy na tsy misy ny fitaovana sahaza ampiasaina amin’ny fijinjana sy ny fitahirizana ny vokatra. Nosantarina ny 23 avrily teo, ny taom-pamokarana 2026, tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), ny fitaovana marobe, hamahana ity olana amin’ny fahaverezam-bokatra ity, izay ao anatin’ny tetikasa FCRP.
Nahitana fivelesam-bary sady mikororoka mandeha milina miisa 33, fivelesam-bary voizin-tongotra miisa 316 ary fikororohana voizin-tongotra 201. Haparitaka any amin’ny faritra 12, toerana tena mpamokatra vary ireo fitaovana ireo, toy ny any Boeny, Diana, Vakinankaratra, sns. Nahazo ny anjarany tamin’ity fotoana ity, noho izany, i Vakinankaratra.
Nambaran’ny minisitra, Ramido Gaëtan, fa tanjona ny hampihenana ny masonkaren’ny tantsaha. Tanteraka izany, noho ny tohana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny
Ho an’ny kaominina Ambohibary, tanjona, ny hisitrahan’ny tantsaha mpamokatra miisa 575, afaka mively sy mikororoka vary akotry milanja 720 taonina, avy amin’ny tanimbary mirefy 230 ha.
Tombony 70 kilao isan-tokantrano
Hihena 5% sisa ny vary very raha 15% hatramin’izay. Izany hoe, hahazo 40 taonina vary akotry tombony, na 70 kilao isaky ny tokantrano. Manampy ireo, nomena zezika «urée» 20 taonina, masomboly vary 7,5 taonina ihany koa ny tantsaha hiatrehana ny voly avotra 2026. Hitohy any Analamanga sy Fitovinany ny hetsika.
Njaka A .




