Nifampisokirana tao anatin’ny taxi-be 119 ny mpamily iray, ny sabotsy 25 avrily teo. Nidona tamin’ny fefin’ny zaridainan’Ambohijatovo ny fiara rehefa nikasa hiakatra ny lalana miditra ny Tunnel Ambanidia. Nentina nihazo toeram-pitsaboana ilay mpamily naratra.
Vehivavy iray nendahin’ny olon-dratsy ka voaroba ny vola 123 700 Ar sy karapanondro niampy taratasy hafa, omaly. Nandositra ilay mpanao ratsy ary lasany hatramin’ny fitoeram-bola teny amin’io vehivavy io.
Notanana am-ponja ireo tontakely roa lahy tratran’ny polisy tao Mahajanga, ny alarobia 22 avrily teo, tamin’ny 10 ora alina. Nangalatra finday tao Mahabibokely ny iray tamin’izy roa lahy ireo ka sarona.




