Ho halavaina ny fe-potoana fifanarahana
amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny lalana «voie rapide» any Toamasina. Mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena RN2 ity lalana ity, izay tanterahin’ny orinasa Sinohydro.
Hivoaka ny tetibola handoavana ny karama tsy voaloa ho an’ireo mpiasan’ny FCE, zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Haloa ihany koa ny latsakemboka Cnaps ho azy ireo. Hisy tetibola hanampiana ny orinasa FCE ho an’ny taona 2026.
Zava-dehibe ny tetikasa Pic3, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Satria, mifantoka amin’ny famoronan’asa sy ny fampiroboroboana ny toekarena eny ifotony izany. Anisan’ny hifantohany ny fandraharahana ara-pambolena, ny fizahantany, ny niomerika, sns.




