Belo Tsiribihina : 800 Ar ny kilaon’ny voanjo

Misedra olana ny tantsaha mpamokatra voanjo any amin’ ny faritra Menabe. Miroborobo ny famokarana, nefa ambany ny vidiny andraisan’ny mpanangom-bokatra. 800 Ar hatramin’ny 1 500 Ar ny kilao. Mahatratra 2 000 Ar/kilao anefa ny sandan’ny famokarana. Ho setrin’izany, natao tany Belo Tsiri­bihina, ny herinandro lasa teo, ny Tsenabe « Masa-Boanjo 2026 », fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panangonana ny voanjo. Nanamafy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, fa mendrika tohanana haingana ny tantsaha. Hojerena ny fampitaovana mekanika, toy ny trakitera sy ny « motoculteur » ary ny fanodinana ny vokatra, mba hiteraka tombontsoa iom­bonana.
Notolorana bisikileta sy fitaovana samihafa koa ny tantsaha mampita sy « brigadier phytosanitaire ». Tohana tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Progres, eo ambany fiahian’ny minisitera MiASA, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Laharam-pahamehana ny fanofanana ny tanora tantsaha matihanina ara-teknika sy ara-pandraharahana.

Njaka A.

Partager sur: