Tsimiroro: Havadika ho solika ny menaka mavesatra

Sambany! Homen-danja ny manampahaizana malagasy. Nidina ifotony tany amin’ny toeram-pitrandrahan’ny Mada­gas­car Oil, any Tsimiroro, ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Rabearimanga Radonirina Lucas, ny zoma 24 avrily teo. Niaraka taminy ihany koa ny manampahaizana malagasy mahakasika ny solika, ny Profesora Solofo Jonis. Nambarany fa natao ny andrana momba ny kalitaon’ny menaka mavesatra vokarina ao Tsimiroro. Dingana natao ny fampifangaroana ny menaka mavesatra, milanja 5 kilao, amin’ny akora manokana « catalyseur » milanja iray kilao. Rehefa nojerena ny valin’ny andrana, afaka 10 minitra, niha-maivana, lasa 900 grama ny lanjan’ny menaka mavesatra 960 grama, rehefa nafangaro tamin’ilay akora. « Midika izany, fa nivadika lasa solika mahazatra (pétrole conventionnel) ny menaka mavesatra. Hatao fitiliana an­drana any amin’ny foibe OMH aty Antananarivo ihany koa ity natao tany Tsimiroro ity, ka hampitoviana ny valiny, izay tokony hitovy », hoy ihany izy. Karazany roa ny « catalyseur » nampiasaina, ho an’ny mamoaka gazoala sy solika lasantsy.

Ara-teknika sy lalàna
Nanamarika ny minisitra Rabearimanga R. Lucas, fa « notanterahina ity fitiliana ity hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ao Tsimororo, ahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka ny vokatra ».
Aorian’ny andrana, hojerena ny lafiny teknika sy ny pitsompitsony amin’ny lalàna mifehy ny solika.

Njaka A.

Partager sur: