Miisa 194 ireo orinasa mpikambana eo anivon’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), ny taona 2025. Tafakatra 228 kosa ireo vokatra nahazo ny « label » Malagasy Ny Antsika. Porofo izao fa mitombo ny orinasa miditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Manomboka miroborobo ihany koa ny famokarana ho fanandratana avo ny vokatra eto amintsika. Laharaham-pahamehana ho an’ny Sim ny hitondra ny feon’ny sehatra tsy miankina ho an’ny fampandrosoana ny vokatra malagasy.
Nanomboka ny asabotsy teo ka haharitra herintaona ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola malagasy. Nifanindry an-dalana tamin’izany ny fanokanana ny masoivoho ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ao Antsirabe. Misy ny fampirantiana sy fampahafantarana ny tantaran’ny vola ny 27 avrily hatramin’ny 1 mey. Hetsika manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva.
Andrasana ho tonga ny 1 mey ny sambo mpitatitra solika eto amintsika. Telo herinandro aorian’izay kosa ny andiany manaraka. Noferana ho 15 litatra isaky ny mpanjifa ny fividianana solika any amin’ireo faritra lasibatry ny fikorontanan’ny famatsiana solika. Anisan’izany ny ao Nosy Be, Antsiranana sy Mahajanga. Fepetra noraisan’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH) mba hiantohana ny famatsiana sy hitsinjovana ny mpampiasa solika izany.




