Anisan’ireo klioba mbola manana herijika hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena PFL ny Tsaramandroso Formation Boeny, raha mahita fandresena telo amin’ireo lalao telo farany hataony.
Raha tsy misy ny fiovana farany amin’ny lalaon’ny Tsaramandroso FC Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, izay hatao anio, etsy Iavoloha. Tsy manaiky ny hampiantrano ny Ajesaia eto an-dRenivohitra ny ekipa avy any Boeny, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba Tsaramandroso FC, omaly. Amin’ izy ireo, tokony hatao any Mahajanga io fihaonana io, satria izy ireo no mampiantrano izany.
Nilaza ity mpampita vaovao ity fa efa mikarakara ny taratasy fangatahana halefa eny anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny tomponandraikitra ao aminy, ny mba hanaovana an’io lalao io any amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga.
“Mitaky ny hamerenana ny lalao tokony horaisinay any Mahajanga izahay, fa tsy ekenay io hatao eto Antananarivo io. Mbola vonona izahay ny hiatrika ireo fifanandrinana telo farany, saingy tsy ekenay ilay hafindra any Iavoloha”, hoy ity loharanom-baovao ity.
Tsara marihina fa mbola manana herijika ny ho tafita any amin’ny “Playoff” ny Tsaramandroso FC. Ankoatra ity fifanandrinana amin’ny Ajesaia ity, mbola manana lalao tara roa ry zareo, dia ny fifandonana amin’ny TGBC Atsinanana sy ny fihaonana amin’ ny Cosfa miaramila. Manana isa 11 ao amin’ny kaonferansy Avaratra ny Tsaramandroso, ka raha mahita fandresena telo amin’izany ry zareo, lasa 20 ny isa azony, ka miakatra eo amin’ny laharana fahefatra, ary afaka miakatra any amin’ ny dingana manaraka.
Ny efa tafita ….
Efa fantatra kosa ny anaran’ireo ekipa tafita any amin’ ny “Playoff” amin’ity fifanintsanana PFL ity. Ao amin’ny kaonferansy Atsimo, ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny Elgeco Plus Analamanga, tompondaka farany, ary ny AS Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy no hiatrika izany. Atsy Avaratra kosa, ny Cosfa miaramila sy ny Ajesaia ary
ny FC Rouge no tafita amin’ izany. Ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny kosa no tsara toerana mahazo ny tapakila farany ao amin’ity vondron’ny Avaratra ity, mitana ny laharana fahefatra vonjimaika izy ireo, ary manana isa 18.
Fitia Randria




