MB2ALL-Coach Ndranto: “Fanazarana lalao no himasoana aloha”

Nisy ny fanavaozana teo amin’ny mpilalaon’ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny fiatrehana ny N1A natao tany Antsi­rabe. Mpilalao 3 vaovao no nampiakarina N1A ary mbola latsaky ny 23 taona ny ankamaroan’ireo niatrika izany, ho an’ny MB2ALL. Nambaran’ny Coach Rakotonanahary Ndranto, fa somary mafimafy ny nameno ireo mpilalao 7 tsy teo, saingy tsara ihany ny vokatra. Fanazarana lalao aloha, hatreto, no tena himasoana ho an’ireto mpilalao vaovao ireto. Anisan’ny sambany nilalao tamin’ny N1A i Sarobidy izay nilaza fa tsy moramora ny miatrika N1A, tsy mitovy amin’ny fifaninanana tsotra fa tena efa avo lenta. Tompondaka ny MB2ALL sy ny JCBA. Tsiahivina fa tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny famaranana teo amin’ny sokajy latsaky ny 18 taona, izay nifandonan’ny ASA sy ny MB2ALL, teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nahazoan-dry Sarobidy sy ry Océane ny fandresena, tamin’ny isa 61 no ho 50. Ny ekipan’ny JCBA kosa nivoaka ho mpandresy teo amin’ ny sokajy latsaky ny 18 taona, lehilahy, nanoloana ny ekipan’ ny Cosfa.

Mi.Raz

Partager sur: