SOMBIM-BAOVAO

Nahatafiditra baolina telo i Fenohasina Gilles, Malagasy mpilalaon’ny AL Merrik. Io baolina tafiditr’i Feno io no nahazoan’ny AL Merrik, ekipa sodaney,
fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Bugesera, nandritra ny fifanintsanana roandey “Rwanda Premier League”. Niampy isa telo indray ny isan’ny Al Merrik ao amin’ity fifanintsanana ity ka mitana ny laharana fahatelo hatrany ry zareo.

Hotontosaina anio, ao amin’ny Parc de Prince, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny Paris Saint Germain, frantsay sy ny Bayern Munich, klioba alemà. Fihaonana goavana izay tena andrasan’ny maro, ary tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Ligue des Cham­pions 2026”.

Mbola mitohy isaky ny faran’ny herinandro
ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, anisan’ izany ny eo amin’ny sokajy N1B. Lalao tena niady ny teo amin’ny ASA sy ny BCNA izay nandresen’ny ASA tamin’ny isa tokana monja (66-65).

Partager sur: