Dahalo am-polony nitam-piadiana nanafika : Zaza mainty dimy maty voatifitra, takalonaina iray avotra

Notafihan’ny dahalo ny tanàna tao amin’ny kaominina Mahazomà ny alin’ny alahady teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo. Vokany, maty voatifitry ny olon-dratsy ny zaza mainty dimy. Takalonaina iray avotra soamantsara.

Zaza mainty dimy lavon’ny olon-dratsy ka nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao amin’ny tanànan’Ankijanitsi­vazay, kaominina Mahazomà, distrikan’i Maevatanàna, ny alin’ny alahady 26 avrily hifoha alatsinainy teo. Dahalo manodidina ny 14 lahy nirongo fitaovam-piadiana no voalaza fa nanafika tao amin’io tanàna io. Nanoloana izany, tsy nilavo levona ireo vatan-dehilahy mpiaro eo anivon’ny tanàna, fantatra amin’ny anarana «zaza mainty». Nano­hitra ireo dahalo izy ireo ka maty voatifitra ny dimy tamin’izy ireo. Nanapoaka basy ireo mpandroba ka tsy sahy nivoaka ny trano fonenany ny ankamaroan’ny mponina. Nahoron’ ireo dahalo avokoa ny omby tanaty vala. Nahatratra 40 ireo omby lasan’ireo tsy valahara tamin’io fanafihana io.

Takalonaina iray avotra
Nanara-dia hamerenana ny ankizilahy iray nentin’ny dahalo ho takalonaina ny vatan-dehilahy tao amin’ny tanànan’ Ankijanitsivazay sy ny tomponandraikitry ny filaminana. Nisy ny fifampitifirana mahery vaika nifanandrinan’ny zandarimaria sy ny dahalo mpangalatra omby. Olona roa naratra tamin’io fotoana io. Avotra soa aman-tsara teny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny kosa ilay ankizilahy natao takalonaina. Ankoatra ny zandary, manampy amin’ny fanarahan-dia eny an-kianja ny ekipan’ny Tafika. Mitohy ny hazalambo mba hahafa­han’izy ireo misambotra ireo dahalo namono olona. An­drasana ny tohin’ny raharaha. Marihina fa manjaka ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’i Maevatanàna tato ho ato. Lasibatra tamin’izany ireo taksiborosy sy fiaran’olon-tsotra mandalo eny amin’ny lalam-pirenena.

Tsiferana R.

Partager sur: