Andohatapenaka : Mpitondra moto voahitsaky ny fiara

Nandrika ny ra tetsy Andohatapenaka. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny ann-toerana, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Niseho teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be, eo amin’ny hopitaly manara-penitra ny loza. Lehilahy iray nitondra moto no naratra mafy voahitsaky ny fiara, zotra 159, teny an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga, nikasa hisongona taxi-be iray io lehilahy io. Vao nisongona anefa izy dia voakasiky ny taxi-be iray hafa nilahatra taminy ny moto noentiny ka nianjera tamin’ny tany izy. Voahitsaky ny fiara iray manao zotra Ambohitrimanjaka sy 67 Ha anefa ny lohany, ka naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena. Nandrika nanerana ny arabe ny ra noho ny dona mafy nahazo azy tsy avotra intsony ny ainy.

Mino

Partager sur: