Tranon-tseranana nasionaly Ivato : Nitombo avo roa heny ny fandraisana mpandeha

Manana ny lanjany ny zotra ana habakabaka anatiny, na nasionaly, eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Vao mainka hampiroborobo azy ny nanitarana ny fotodrafitrasa tranon-tseranana fandraisana ny mpandeha.

Notokanana, omaly ny fanavaozana sady fanitarana ny tranon-tseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antana­narivo. Nohalehibiazina ny efitrano malalaka, ka afaka mandray mpandeha avo roa heny, miisa 261 isan’ora, raha 120 isan’ora izany talohan’ny fanavaozana. Lasa toerana roa no fitiliana ny entan’ny mpandeha raha iray ihany tany aloha. Afaka mandray entana miisa 900 isan’ora, raha 297 isan’ora taloha. Nohalehibiazina ho 760 m2 ny efitra fiondranana, ahitana seza 236, raha 380 m2, seza 151, tany aloha. Lasa va­ra­varana 4 ny fiondranana raha 2 tany aloha. Ma­nampy ireo ny fisian’ny toeram-pivarotana vaovao, fisakafoana vaovao anaty efitra fiondranana, ny toeram-pilalaovan’ny ankizy sy fialan-tsasatra, ho an’ny olona manan-kaja (VIP), ny «lounge», toerana ho an’ny sidina manokana, fampirantiana ara-kolontsaina, sns.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Michel Lefebvre, mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, fa nifantoka tamin’ny vina lavitr’ezaka hatrany ny tanjona napetraka, nandritra izay 10 taona (2016-2026) nitantanana ny seranan’Anta­na­na­rivo sy Nosy Be izay. Mampiasa vola maharitra, hatsaraina ny fikarakarana ny mpandeha, sns. Tanjona ny hisarihana ny vahiny ho avy aty Madagasi­kara, sady mi­tondra fampandrososana ara-toekarena. Ani­san’ny hifantohana ao aoriana kely ny fanomezan-danja ny maha Mala­gasy sy ny kolontsaina eto Madagasikara.

Zotra nasionaly ny 9 928
Mahatratra 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina eny Ivato, nanomboka ny ja­noary 2025 hatramin’izao. Zotra mahazatra ny 32 raha an’ny tsy miankina ny 27. Mi­totaly 28 014 ny fivezivezena nandritra io fotoana io, ka zotra nasionaly ny 9 928, ma­nome ny 35%, ka an’ny Mada­gascar Airlines ny 95%.
Nitarika ny fotoana fitokanana, omaly, ny Mpanolo­tsaina avo roa ao amin’ny Prezidansa ny Fanavaozana nisolo tena ny Filoham-panjakana, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fita­terana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) ary olo-ma­nakaja maro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: