Karaman’ny sehatra tsy miankina: Tompon-teny farany ny fanjakana

Andrasana ny 1 mey fara-fahatarany ny didim-panjakana hametra ny karama farany ambany ho an’ny fandraisana mpiasa (SME) eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Tsy mbo­la voafaritra ny fiakarana, tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitra nifanarahan’ireo mpisehatra voakasika.
Mbola naverina nodinihina ilay fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny dinika natao tamin’ny volana febroary. Nolavin’ ireo sendika sasany ny fampiakaran-karama ho 300 000 Ar noraisin’ny vondron’ny mpam­piasa (Gem sy Fivmpa­ma) sy ny sendikan’ny mpiasa (CTM). Ankilany, nolavin’ireo vondron’ny mpampiasa ihany koa ny tolo-kevitra naroson’ny sendika sasany momba ny SME ho 360 000 Ar. Nitohy ny dinika teo amin’ny roa tonta, mialoha ny handraisana ny fanapahan-kevitra farany. “Manantena fa hisy ny marimaritra iraisana ho an’ny tombontsoan’ny mpiasa malagasy”, hoy ny mpiasa iray avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nilaza kosa ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny fahafahan’ny orinasa hamaly ny hetahetany.
Tsiahivina fa nisy ny dinika niarahan’ireo mpisehatra sa­mihafa ny herinandro teo. Din­gana manan-danja mialoha ny hamoahana ny didim-panjakana momba ny karama farany ambany ho an’ny fandraisana mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina io. Marihina fa hanao diabe miainga etsy 67 Ha, mandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa, ny randrana sendikaly hanamarihany ny zony sy ny tombontsoan’ny mpiasa.

Henintsoa

Partager sur: