Filazantsara an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Andon’ny Natiora

“… Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho” (I Korintiana 14: 15 b). Teny filamatra ho an’ny tarika An­don’ny Natiora, izay nijoro tamin’ny taona 2014, tao Fort-Dauphin io. “Andon’ny Na­tiora, anarana nosafidianay, entina milaza fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny famonjena fanahin’olombelona tsy ankanavaka. Antom-pisian’ny tarika, araka izany, ny hitory ny Filazantsara an-kira”, hoy i Tovo, mpandrindra ankapobeny ny tarika.
Taona 2025, nanomboka ny fampiaraham-peo teo amin’ny Andon’ny Natiora sy ireo manana feo kanto sy miavaka toa an’i Koike de Madagascar, tamin’ilay hira “Lombao” noforonin’i Maître Fugain sy i Rojo Ny Avo. Teo ihany koa ny “Mamelà” nohajarian’i Solofo. Nampahafantarin’ity tomponandraikitra ity fa manohy ny lalany hatrany ny tarika. Efa namoaka kapila mangirana “Mbola zaza” ny tarika. Hira miisa 10, toy ny “Mbola zaza”, “Ty hatea”, “Manaiky Anao”, sns, no ao anatiny. An-dalana amin’ny famoahana ny kapila mangirana faharoa “Eo anilanao”, ankehitriny, ny tarika.
“Ny mpikambana tsirairay no miezaka miaina izay voalazan’ireo tononkira sy ny teny toriana, mialoha ny hanapariahana izany. Vina sy tanjona ary fanamby lehibe apetraky ny Andon’ny Natiora ny hampiakatra avo hatrany ny lentan’ny kanto ara-pilazantsara”, hoy ny mpandrindra ankapobeny.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: