Rugby – Top 12: Hanala vela amin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Hitohy amin’ny alahady 3 mey ho avy izao ny fiadiana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Top 12».

Toy ny mahazatra, hampiantrano izany ny Kian­ja Makis Andohata­pe­naka. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Be­baoty) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela amin-dry zareo miaramila amin’ity ny fileovana Anatihazo, ao anatin’ny andro fahavalo.
Tsiahivina fa mitarika vonjimaika ny Cosfa raha fahenina kosa ny TFA. Raha ny tombana aloha, heverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra ny Bebaoty ny Pilo kely, amin’ity, saingy tsy maintsy hanohitra mafy ry Bôlô, manoloana an-dry Maxim sy ry Ginot. Hiady mafy ny Anatihazo, amin’ity, mba hitazomany ny toerany hiatrehana ny lalao sakana.
Samy manana ny fomba filalaony ny roa tonta. Toy ny mahazatra mampiasa ny ha­ben’ny vatany sy ny tanjany ny miaramila raha any anaty tolotolotra haingam-pandeha kosa ny an’Anatihazo.
Ankoatra izay, hangotraka ihany koa ny lalaon’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Re­nivohitra) sy ny TFMA Ankasi­na (Boaikely manohitra). La­harana faha-10 ankehitriny ry zareo Ankasina raha fahadimy kosa ny ekipan’ny Kaominina. Na izany aza, fihaonana hisehoan’ny fahaiza-manao ny an’ny roa tonta.
CEA Andranomanalina kosa hifampitana amin’ny Mang’Arts Manjakaray. Fihaonana heverin’ny rehetra fa hanjakan’Andrano, mitana ny laharana faharoa. Marihina fa tafita miatrika ny lalao ma­nasa-dalana ny ekipa roa voalohany ka hatreto ny Cosfa sy ny CEA no efa tsara toerana amin’izany.
Hanokatra ny fihaonana ny lalao fiadian-toerana fahatelo, ho an’ny Top 20, hifanandrinan’ny FTAT Anosibe sy ny CRAI Ambalavao Isotry.

Tompondaka

Partager sur: