Nanomboka omaly, tany Maurice, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior” lehilahy. Ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” no nanombohana izany. Taorian’izay ny fihodinana voalohany ho an’olon-tokana sy ny olon-droa miaraka. Tsiahivina fa manorana ny andro any an-toerana.
Navoakan’ny foiben’ny Fiba Afrika ao Abidjan-Côte d’Ivoire, ny 24 avrily 2026 teo, ny vokatry ny fiofanana nomen’ny Fiba Afrika natao tao Tunis, ny 30 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 teo. Nahavita fiofanana sy nahafeno ny fepetra takina ny mpitsara iraisam-pirenena malagasy, Maminiaina Sylvain Pierrot, izay tafiditra amin’ny sokajy mpampiofana mpitsara basikety (Instructeur arbitre).
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Metropolitano Madrid, ny lalao manasa-dalana mandroso, ihaonan’ny Atletico de Madrid sy ny Arsenal FC, klioba anglisy. Fifanandrinana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2026”. Anio, amin’ny 10 ora alina, ora eto an-toerana, no handeha io fihaonana io.




