Manoloana ny tranga fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM), Absouary Said Arsène, tetsy amin’ny Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha Antananarivo, afakomaly. Nanao fanambarana ny raiamandreny ara-panahy sy ny filohan’ny Association Islamique any Diego Suarez. Nambaran’izy ireo fa efa olobe sy raiamandreny i Oustaz Absouary Said Arsène. Mpampianatra sady mpanabe ara-panahy ihany koa izy, raha eo amin’ny Finoana Islamo, indrindra amin’ny maha filoha nasionalin’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy azy. Izay voafidy tamin’ny Congrés ny 21 hatramin’ny 24 oktobra 2021. Nohamafisin’izy ireo fa tsy manaiky ny habibiana sy ny fanalam-baraka izay natao azy. « Endrika faniratsirana sy fanambaniana ny raiamandreny eo amin’ny finoana islamo ireny », hoy ihany izy ireo. Melohin’izy ireo tanteraka ireo rehetra manana fifandraisana tamin’iny tranga iny. Mitaky ny hanesorana ireo tomponandraikitra ao amin’ny Mosquée Antananarivo ka nisy fifandraisana tamin’iny tranga iny ihany koa izy ireo.
Tsy mbola nitranga teto amintsika ny trangan-javatra tahaka iny, raha ny fanazavan’izy ireo. Nambaran’izy ireo fa efa taona arivo no nidiran’ny Finoana Islamo teto Madagasikara Alhamdoulillahy, raha ny fikarohana nataon’ireo mpikaroka tantara. Miangavy ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany koa izy ireo mba hijery sy handray andraikitra mahakasika iny raharaha in
Mino




