Tontolon’ny toekarena sy kolontsaina. Efa lasa lavitra noho i Madagasikara i Alemainina. Hizara ireo tombony ananany ry zareo mandritra ny foara « Made in Germany 2026 ».
Hotanterahina ny 9 mey ho avy izao, eny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faharoa amin’ny foara « Made in Germany 2026 ». Hetsika karakarain’ny « Les amis de l’Allemagne » eto Madagasikara. Fotoana hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy kolontsaina, fanjakana samy fanjakana, eo amin’i Madagasikara sy Alemainina. Entina hankalazana ny fifankatiavana sy ny finamanana eo amin’ny Malagasy sy ny Alemà ihany koa io, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara, izay nampahafantatra ny hetsika « Made in Germany 2026 ». Omena sehatra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tontolon’ny fiarakodia, ny indostria, ny fanabeazana sy fampianarana, ny fizahantany, ny kolontsaina… Hifantoka amin’ireo zava-baovao sy fikarohana nataon-dry zareo Alemà ny ranty. Maro rahateo ny Malagasy manam-paniriana ny handeha ho any Alemainina.
Hampahafantatra ny « Tanz in den Mai » ny Alemà
Hahazo ampaham-potoana lehibe kokoa ny fampisehoana sy fifanakalozana eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mandritra ity foara « Made iny Germany 2026 » ity no hampahafantatra ny momba ny « Tanz in den Mai » ry zareo Alemà. Manana ny lanja lehibe ho an-dry zareo io « dihin’ny volana mey » io, satria, fotoana hidirana any amin’ny lohataona. Ireo dihy fahiny any an-toerana no dihizina amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny andiany fahatelo amin’ny fanatanjahantena « Freund Kitra ». Fifaninanana tanterahina ny 16 mey sy ny 17 mey, ho fanamafisana ny fifankatiavana sy ny firahalahiana eo amin’ny Malagasy sy ny Alemà.
HaRy Razafindrakoto




