Mpandrahara iray, maty notifirin’ny mpamiliny tetsy Ambohibao Antehiroka ny alin’ny zoma lasa teo. Fivadiham-pitokisana no antony namonoana azy. Noentin’ity farany nitsoaka ny fiara, sy ny vola ary basy saingy tratra tany Toamasina ny tenany.
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Toamasina, ny alin’ny sabotsy 2 mey 2026 lasa teo, i Sabrino Noelin, antsoina hoe Silamo. Tompon’ antoka tamin’ny fitifirana nahafaty ny raim-pianakaviana, mpampiasa azy tetsy Ambohibao Antehiroka. Tratra teny akaikin’ny Hopitaly Kely, Boulevard de la Liberté tany Toamasina izy.
Raha tsiahivina, avy naka vola tany amin’ny banky io raim-pianakaviana io ary niditra nisakafo tao amin’ny toeram-pisakafoana iray teny Ambohibao. Nandritra izany, no notifiran’ilay saoferany azy tamin’ny basy. Lasa nitsoaka niaraka tamin’ny fiara 4*4 sy vola ary ny basy nampiasany izy. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohibao. Maty tsy tra-drano vokatry ny ratra mafy nahazo azy ilay niharan-doza. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’izany. Natao avy hatrany ny filazana fikarohana mahakasika ilay nahavanon-doza tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy niandry ela fa voasambotra tany Toamasina, afakomaly alina ity farany. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity.
Nahitana 1 tapitrisa Ariary
Nahitana vola mitentina 1 tapitrisa Ariary teny amin’ity lehilahy nahavanon-doza ity, tamin’ny fotoana nisavan’ny mpitandro filaminana azy. Ankoatra izay, nafenin’ity farany, tao anaty trano kely iray teny Ambalakisoa, akaikin’ny pont Verrerie, ny basin’ny mpampiasa azy, izay nanaovany ny heloka bevava. Mbola nokasainy hamidy 140 tapitrisa ariary ihany koa ilay fiara 4*4 saingy tsy nety lafo. Nanambara kosa ny teo anivon’ny fianakaviana fa tsy mitahiry volabe ao an-trano ity mpandrahadraha voatafika ity. Tombanana ho valifaty na « règlement de compte » no antony namonoana azy. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny tohin’ny fanadihadiana ahafantarana ny marina. Marihina fa mpandraharaha ara-toekarena any Ambanja ity raim-pianakaviana maty voatifitra ity.
Mino




