Oniversiten’Antananarivo : Nomena mariboninahitra ny mpiasa

Notolorana mariboninahitra ny mpampianatra sy mpandraharaha mendrika teny Ankatso, tamin’ity herinandro ity, izay tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny oniversite teto Antananarivo. Anisan’ny karazany nomena ireo nahazo izany ny Grand croix 2ème ordre, Grand officier, officier ary Commandeur.
Mpampianatra 43 sy mpan­draharaha 124 no nisitraka izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpan­drindra ny fankalazana 65 taona sady filoha lefitra misahana fikarohana eo anivon’ny oniversiten’Anta­nana­rivo, Rabetokontany Nante­naina.
Arakaraka ny taona niasana no namaritan’ny fanjakana malagasy ny mariboninahitra homena ny tsirairay. Momba ny fanamarihina ny faha-65 taonan’ny oniversite kosa, ivon’ny fankalazana ny herinandron’ny 15 jona hanatontosana hetsika siantifika samihafa. Manana ny toerany koa ny kolontsaina ka ireo mpianatra no haneho fampisehoana. Zava-dehibe hiantsona ireo maintimolaly rehetra ny hetsika ara-panatanjahantena sy ny korana fiaraha-misakafo ny 19 jona ho avy izao. “Ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana” no lohahevitra amin’ny fankalazana.

Vonjy

Partager sur: