Niakatra fampanoavana omaly : 15 mianadahy nandroba 200 tapitrisa Ariary

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny olona 15 mianadahy. Voarohirohy tamin’ny fanafihana, teny Ambohimangakely izy ireo. 200 tapitrisa Ar ny vola voaroba tamin’ny 20 avrily.

Nohainoin’ny fampanoavana omaly ireo 15 mianadahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, distrikan’Avaradrano, ny 20 avrily teo, tamin’ny 9 ora maraina. Nanapaka ny «ca­mé­ra de surveillance» rehetra tao amin’ilay toeram-pivarotana niharan’ny fandrobana ny mpiasa iray, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimanga­kely, omaly. Vehivavy miisa fito sy lehilahy miisa valo niaraka voasambotra hatramin’ny omaly. «Fa­nafihana efa maty paika io niseho io. Olona telo mbola karohina», hoy ny loharanom-baovao. Niray tsikombakomba avokoa ireo vehivavy ireo fa tsy nandray anjara mivantana, hoy ny zandary mpanao famotorana. Namba­nana basy avokoa ny mpiasa rehetra ary noterena hamoaka ny vola ny tomponandraikitra. Nitondra basy Kalachnikov sy Pistolet ireo jiolahy tamin’ny fotoan’ny fandrobana. Voa­roba ny lelavola mitetina 206 800 000 Ar. Nampiasa moto miisa telo ireo jiolahy ka nanao tari-dositra taorian’ny fanafihana. Nametraka fitoriana teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ny tompon’ny tsena lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny manam-pahefana. Vokany, voasambotra avokoa ireo olona voarohirohy sy ahina ho atidoha tamin’io fanafihana io. Naha­trarana ambim-bola 20 tapitrisa Ar rahateo teny amin’ io fikambanan-jiolahy io. Mito­hy ny fikarohana ireo olona hafa izay niray petsapetsa tamin’ireo jiolahy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: