Moto sy fiara nifandona : Lehilahy iray maty tetsy Ampitatafika

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena voalohany, ny alin’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny PK 09 + 200, teo amin’ny Voasary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny loza.
Moto iray notaingenan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny fiara 4×4 iray. Avy aty Antananarivo ary nikasa ho any Fenoarivo ireo nandeha moto. Raha avy any Imerintsiatosika hiakatra ny renivohitra kosa ilay fiara. Raha ny fanazavana nomen’ireo nanatri-maso, nikasa hisongona fiara teo alohany ilay moto sady nandeha mafy. Nandritra izany no nisy fiara 4×4 iray nipoitra tampoka ka nifandona tao. Nikasa hijanona ihany ilay fiara saingy tsy tafajanona satria samy nandeha mafy ny roa tonta ka nirefotra tao. Nidona mafy tamin’ny lohan’ilay fiara ny moto sy ireo olona teny amboniny. Avy eo nipitika sy nifatratra tamin’ny andrin-jiro iray teo akaiky teo. Vokany, maty tsy tra-drano ny lehilahy izay nitondra ny moto. Raha naratra mafy sy ahina ho tapa-tongotra ilay vehivavy niaraka taminy. Tsy nisy naninona ireo mpandeha tao amin’
ilay 4×4. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao Ampitatafika. Efa nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’ny tranga. Efa manaraka fitsaboana kosa ilay naratra mafy.

Mino

Partager sur: