Ho maina, amin’ny ankapobeny, ny habaka saika manerana ny Nosy, raha ny vina mandritra ny herinandro. Hahazo vahana anefa ny tsioka avy atsinanana ho an’ny tapany avaratra atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hanakorontana ny toetry ny andro. Hisy orana avy any an-dranomasina handalo indraindray any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy ary ny toerana sasany amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana. Hibaliaka ny masoandro any an-kafa, izay mety hialohavana zavona vao maraina ny atitany. Hanorana ny faritra atsinana, any amin’ny faran’ny herinandro, izay mety harahin’erika indraindray ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Manodidina ny 9 – 25 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24 – 38 °C ny tolakandro.
Niara-nientana nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny “Cité Universitaire” Ankatso II, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Teo koa ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ny Filohan’ny delegasionina manokana eto Antananarivo Renivohitra, ny herinandro lasa teo. Nentanina ireo mpianatra amin’ny maha zava-dehibe ny fahadiovana ka hanao fanadiovana isam-bolana.




