Lehilahy iray, 37 taona, maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra, tetsy Ankasina, omaly maraina. Nisy mangana ny tendany. Tsy fantatra mazava ny antony. Malaza ho mifamaly lava izy mivady. Atao famotorana eny amin’ny polisy ilay ramatoa.
Vaky tanteraka ny lohan’ilay rangahy, noho ny hamafin’ny fianjerana. Nandrika ny ra tetsy Ankasina, secteur II, omaly maraina. Raim-pianakaviana iray no nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra. Namonjy azy ny mpiara-monina. Nentina namonjy hopitaly fa tsy tana ny ainy. Raha ny vaovao voaangona teny an-toerana, nahitana mangana ihany koa ny tendany, tamin’ny fotoana nahitana ny razana.
Tsy fantatra mazava ny tena zava-nisy. Izy sy ny vadiny no tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nihidy avy any anatiny rahateo ny trano. Nihazakazaka nampandre ny tompon-trano mahakasika ny zava-nisy ilay ramtoa vadiny, raha vao niseho ny loza. Nambarany fa namerina taribin-jiro izay notapahin’ny tompon-trano ilay rangahy, latsaka avy eny ambony varavarankely.
Efa notapahina ny jiron’izy ireo, araka ny filazan’ny tompon-trano. Tsy nahaloa vidin-jiro nandritra ny roa volana, raha ny fanazavan’ny zanaky ny tompon-trano. Tsy misy « fil » anefa teo amin’ny varavarankely. « Ahina ho efa tsy nahatsiaro tena tao an-trano ilay rangahy vadiny no nalatsak’ilay vehivavy teny amin’ny varavarankely », raha ny petra-kevitra avy amin’ny mpitandro filaminana.
Nifamaly
Mpivady miady lava izy roa, raha ny fanazavan’ny mpiray vodirindrina. Mbola nifamaly be izy ireo ny alina manontolo, nialoha ny loza. Toraka izany koa afakomaly alina. Nambaran’ny mponina nandritra ny angom-baovao fa mifoka sy misotro toaka ilay renim-pianakaviana. « Mety ho nisy fanitsakitsahana ihany koa fototry ny olana. Raha ny zavatra misy ety amin’ny manodidina dia mahavita mikasi-tanana ilay rangahy ity renim-pianakaviana ity », hoy hatrany ny olona nakana feo.
Nitsoaka
Marihina fa taorian’ny fandalovany tao amin’ny tompon-trano dia nitsoaka ity vehivavy ity. Nisy ny fikaroahana azy. Hita tany amin’ny trano fitsotroana iray teny an-toerana izy. Nosamborin’ny fokonolona ka natolotra ny polisy. Nanomboka omaly ny fanadihadiana sy fakana am-bavany azy. Naka sy nanatitra ny razana tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny avy amin’ny BMH.
Mino




