Iray amin’ireo fototra lehibe mampijoro ny tantara fihaino (tantara an’onjampeo, tantara fandefa amin’ny Radio) ny fanoratana azy ireny. Tsy mora sady saro-pady. Hisy ny atrikasa hoenti-manatsara azy ity atsy ho atsy.
Nanaraka ny firoboroboan’ny fitsanganana na fiorenan’ny Radio ny fitomboan’isan’ireo tia sy liana ary mihaino sy manaraka ny tantara alefa amin’ireny. Samy manana andraikitra goavana ny tsirairay misehatra amin’ny tontolon’ny tantara fandefa amin’ny Radio. Iray amin’ireny ny mpanoratra. Ho fanatsarana ny lentan’ny tantara an’onjampeo, mikarakara atrikasa fanoratana tantara fihaino ny Vondron’ny mpiangaly tantara (VMT Madagasikara).
Andrianasolo Hajaina, filohan’ny Havàtsa-Upem, sady mpanoratra rahateo, no hitarika ny atrikasa izay hotontosaina ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny alarobia 27 mey, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiompana amin’ny paika sy haifanoratana tantara an’onjampeo ny lohahevitra.
Iharan’ny tsikera
Anisan’ny ianjadian’ny tsikera mavesatra ao anatin’ilay rohy mampifamatotra sy mampijoro ny tantara an’onjampeo, ny mpanoratra sy ny mpilalao. Ho an’ny mpanoratra manokana, iray amin’ireo tsikera mahazo azy ireny ny fanoratana ny zavatra tsy fantany na tsy hananany fahalalana. Na, tsy nanaovany fanadihadiana akory. Matetika isehoan’izany ny tontolon’ny finoana, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao, sns.
Tsikera avy any amin’ny mpihaino Radio, matetika mahazo ny mpanoratra ihany koa ny fakana tahaka na fanaovana dika mitovy ny tantara vahiny. Mety tao anaty boky, mety tany anaty sarimihetsika vahiny no nisintomana azy ireny…
Ilaina ny fiofanana tahaka izao mba hanarenana ny lesoka. Mba hahafahana mitazona ny fahalianan’ny mpihaino, satria, sady kolontsaina no zavakanto ary fanabeazana ny tantara.
HaRy Razafindrakoto




