Anisan’ireo mpamokatra sarimihetsika voaantso handray anjara amin’ny « Courts Circuits 2026 » i Edmée Rakotonjanahary na i Kuro Mi. Hatao any Grand-Popo, Bénin, ny 15 hatramin’ny 29 jona izao izy ity. Fikotrehana fanoratana sarimihetsika, iarahan’ireo mpanatontosa sarimihetsika afrikanina miisa 6 no tena hatao mandritra izany. Tafakatra 150 mahery ireo mpanatontosa sarimihetsika nandefa ny antontan-taratasy, saingy 6 ihany no notananan’ny komity, ka anisany i Kuro Mi. Noho ilay tetikasa « La pétite maison blanche » no nahazoany ity fivoahana hampitomboana traikefa ity. Roa herinandro no hijeren’izy ireo ny fomba fanoratana, ny karazana fironan’ny sarimihetsika, sns. Natao indrindra hifampizarana ny traikefa isaky ny firenena niaviany avy koa izany.
Zo ny Aina




