Ramamimampionona Gérard : “Jerena izay maharary ny vahoaka”

“Raha te hanao asa sosialy isika, tsy maintsy mijery izay maharary ny vahoaka. Any amin’ny kaominina, na fokontany, na kartie… Misy ny sa­kafo omena izao, fa tsy azo atao ary tsy ho vita ny hizara sakafo mandavantaona”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka.

Inona izany ny famokarana haingana tsy maintsy atao? Ny fampandraisana anjara sy fampiasana ny tombony efa nomen’Andriamanitra no tena zava-dehibe. Ny fihainoana ny isan-tsokajin’olona sy ny toerana rehetra: inona no tena zava-misy?

Miainga amin’ izay tena hetahetan’ny va­hoaka eo aloha no tanterahina. Avy eo ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny sosialy. Fa misy koa ny tena fifantohan’ny fanjakana: fitsinjaram-pahefana tena maikabe.
Ny isam-batan’olona no tena tsinjovina
“Ny isam-batan’olona no tena tsinjovina amin’ny hoe sosialim-bahoaka”, hoy izy. Milamina tsara ve ny tsirairay, misakafo, salama, mipetraka amin’ny trano fonenana sy tontolo madio sy voaaro amin’ ny loza mety mahazo azy… ? Eo koa ny fanabeazana vesatra loatra ho an’ny Malagasy, ka lasa samy hafa be isika. Misy afa-mianatra, ao ny tsy mianatra sady tsy mihinan-kanina. Lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina ny ankamaroany, ka tsy mitsinjo lavitra intsony isika. Afa-miara-monina tsara koa ve ny olona?
Ny fandriampahalemana sy ny sakafo ary ny fahasalamana no tena lohalaharana amin’ny sosialim-bahoaka. Miara-dalana amin’izany ny trano fo­nenan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao: manao ahoana? Eo koa ny tontolo misy azy, ny lalana… Mila jerena avokoa izany. Azo adika tsotra hoe ny andavanandrom-piainana ny sosialim-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: