Ilaina ny laza amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Atao izay mampalaza fa tsy terena. Na fihetsika sy fiteny, fantatra fa manimba ny soatoavina izao aza, atao sy tenenina ihany satria te halaza. Mba te ho lazaina hoe «kalaza» ihany koa. Voafaritra mazava eto, fa ny laza no maha maika sy katsahin’ilay mpanakanto. Manao izay ho afany hahatongavana amin’izany izy. Ny ankoatra izay, mety tsy ho fantany akory aza ny fisiany. Atosika mafy amin’ny dokambarotra sy fampiasana vola totoafo, etsy sy eroa, ny «vokatra». Tsy an-kijery kalitao fa ny hampalaza no katsahina.
Seho endrika manimba ny zavakanto malagasy io. Tafiditra «tsy nahy» ao anatin’ny «kalaza» (mahay sy mahalala ary mahafantatra sy mahafehy ny ataony) ireo «malaza» vokatry ny tosika isan-karazany. Ny fahaiza-manavaka ny tena izy sy ny ankosotra, anefa, efa tena midina be raha ho an’ny Malagasy, indrindra fa ny tanora.
…Ilaina ny sivana ataon’ny mpanjifa, mba hahafahana manatanteraka izany. Mila miezaka mampitombo ny fahalalany izy ireo. Amin’izay fotoana izay, ho hainy ny manavaka ny vary sy ny tsimparifary… Adidin’ny tsirairay ny mandray, na manilika izay heveriny fa lasan-ko lazany fotsiny.
HaRy Razafindrakoto




