Tetikasa Miatrika: Hanampy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Tetikasa iray ahitana fandaharanasa 12, anisan’ny novolavo­lain’ny minisitera sy rafitra tomponandraikitra samihafa, toy ny mi­nisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Croix rouge Malagasy ny Miatri­ka. Drafitra nasionaly natao hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro.
Ho hatsaraina sy hamafisina ireo fandraisan’andraikitra efa nisy niatrehina ny loza sy ny tandindon-doza hatramin’izay. Eo koa ny fampiharana eny ifotony, indrindra ny lafiny fandrindrana ny fandraisana andraikitr’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. Handray anjara goavana amin’izany, miaraka amin’ny Croix rouge Mala­gasy, ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana.
Faritra sy mponina maro no misedra olana sy mitondra takaitra vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Eo ny tondradrano, ny haintany sy ny rivodoza isan-taona. Mihamafy izany tato anatin’ny 15 taona farany ary mbola ho mafy, hoy ny fanazavan’ny teknisianina mpisehatra amin’izany ka maika ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika. Hiatrehina izany indrindra ny tetikasa Miatrika.

Tatiana A

Partager sur: