Notontosaina ny talata 14 janoary 2023, teny amin’ny hotely Carlton, Anosy, ny atrikasa nampahafantarana ny varavarana misokatra maro isaky ny karazany avy, ho an’i Madagasikara, taorian’ny fivoriambe COP 27 notanterahina tany Egypta ny volana novambra 2022. Tanjona
amin’izao atrikasa izao ny hifampizarana amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny fivoaran’ny fifampiraharahana natao nandritra ity fivoriambe ity. Manampahefana maro sy mpitondra fanjakana isan-tsokajiny no tonga nanatrika ity atrikasa ity. Isan’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Teo ihany koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Vina Marie Orléa.
Isan’ny firenena misitraka famatsiam-bola sy fanohanana, vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Vokatry ny faharesen-dahatry ny mpamatsy vola noho ny tetikasan’i Madagasikara, miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no nahazoana izany. Isan’izany ny famatsiam-bola avy amin’ny Systematic Observations Funding Facility na SOFF. Tanjon’ity famatsiam-bola ity ny fanatsarana ny tobim-pandinihana ny toetr’andro sy ny tambajotra hahazoana angon-drafitra azo antoka isan-karazany hiadiana sy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ankoatra izay, hahazo tombotsoa amin’ny lahasan’ny Crews Océan Indian na COI ihany koa isika.
Lin (Mpianatra asa)