Heavy sy power: Metal Hizara ny mozikany ny tarika Zovy

Tontosa ny dingana voalohany hoan’ny tarika Zovy. Efa nivoaka ny rakikira, ary anatin’ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny fiakarana an-tsehatra maromaro izy ireo. Hosantarina amin’ny asabotsy izao izany.

Efa fotoana elaela no nampanantenaina ny rakikira voalohany. Tontosa izany, ka anatin’ ny fampahafantarana ny vokatra indrindra ny tarika Zovy. Hisy ny seho izay hataon-dry Nanou sy ny tariny ny asabotsy 18 febroary izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva, etsy amin’ny Kari­botel Analakely.
“Hataonay avokoa ireo hira ao anatin’ny rakikira. Fa eny anelanelany eny, ham­pidiranay ireo hiran’ny tarika vahiny nitaiza sy nan­kafizina”, hoy ny filazan’i Nanou. Anisan’ireny ny san­ganasan-dry Bon Jovi, Queen, Iron Maiden, Stratovarius, Abba, The Eagles, Rod Ste­wart, Gyn’s Roses, Mr Big Dream Theater, The Police, Begees, sns. Hira notsonga­tsongaina ihany izay heve­rina fa sady ho tian’ireo mpankafy ihany koa, raha
ny fanazavana hatrany. Any amin’ny 13 any kosa ireo hira sanganasan’ny tarika Zovy no hatolony ny mpankafy izay ho avy amin’ny seho. Ankoatra izay, hanam-bahiny ihany koa ny tarika mandritra io seho io.
Raha tsahivina fohy, ta­rika niforona ny taona 2020 ny Zovy. Tsy zoviana ao ana­tin’ny tontolon’ny rock ma­lagasy kosa anefa ireo mpikambana, na dia izay aza ny anaran’ny tarika. I Nanou no mpamoron-kira, sady mpi­hira. (amponga maroanaka), Gerhard (gitara), Eric Davson (gitara beso), Eric (gitara) ary Haja (vatamaroafitsoka) no mandrafitra ny tarika. Mirona amin’ny rock soft, heavy ary power metal ny tarika Zovy. Mitrandraka izay hampiavaka azy izy ireo, ary tsikaritra izany anatin’ireo hira efa nivoaka rakitsary, toy ny “Tena tia” sy ny “Hafatro”.

Zo ny Aina

Partager sur: