Teny hoenti-mitaiza: Mamahan-dalitra ny taranaka ny zava-misy

Fiverenana eny an-doharano… Fiverenana any amin’ny fototra… Kanefa, na ny iray amin’ireo fototra sy loharano ireo aza tsy fantatry ny Malagasy sasany akory. Ani­san’izany ny teny. Teny hoenti-mampianatra sy manabe ny taranaka Malagasy, mbola indramina any Eorôpa. Fahiny, raha mbola tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany i Madagasikara (Eco­le de médecine d’Antana­na­rivo, niorina ny 11 desambra 1896). Nampianarina tamin’ny teny malagasy ireo mpianatra ho mpitsabo, satria, fantatr’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona tsara fa ho mora ny fampitam-pahalalana raha ny lamina voajanahary no arahina. Izy ireo rahateo natahotra mafy ireo karazan’aretina nisy teto ka naleony nanofana ny Malagasy hahay mitsabo. Nampiaiky ny fahaizan’ireo mpitsabo nampianarina tao.
… Taorian’ny fanagasiana sarintsariny. Tsy sahin’ny Ma­lagasy intsony ny nampianatra ny taranany amin’ny tenin-drazany. Tsy vitany intsony ny mifampiresaka amin’ny zanany, amin’ny tenin-drazany. Fahanan-dalitra andro aman’alina ny zaza Malagasy, satria, « ampanenjehina di­plaoma » fa tsy omena fahalalana. Hany ka tsy fantany akory na ny momba ny tenany aza. Tsy fantany ny momba ny taniny. Tsy ananany fahalalana ny momba ny razany sy ny fombany… Fa, mbola mihevi-tena ho Malagasy ihany ny nomena ny fanabeazana tahaka izany ? Mihevitra izy ireny fa rehefa miakanjo malabary amina fety dia malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: