Esther R. Randriamamonjy: mivoaka ny boky « Fanamby II & III »

Nitombo iray indray ny boky mirakitra tantara noforonina. Namoaka ny « Fa­nam­by II & III » i Esther Rasoloarimalala Randria­mamonjy, mpikambana ma­hefa ao amin’ny Akademia Malagasy. Ao anatin’ny 200 pejy no namalian’ny mpanoratra ny fanontaniana : inona no niafaran’i Rindra sy i Hotiavina, mpandray anjara fototra ao amin’ny « Vainafo eo an-doha » ?
Mirakitra ny tohin’io tantara izay nahitana ny Fa­namby I, io ny fizarana voalohany amin’ny tantara. Vinavina ny ho fiainan’izy ireo (Rindra sy i Hotiavia…), any amin’ny 25 taona ho avy kosa ny fizarana faharoa. « Sokajiana ho « roman fiction » ity tantara ity. Ahitana tranga mampihomehy, mampitaintaina, manaitra, sns », hoy ny mpanoratra. Ankoa­tra ireo fizarana ireo, misy pejy vitsivitsy milaza ny hevitry ny mpamaky ao anatin’ny boky « Fanamby II & III ».
Mpampianatra taranja malagasy amin’ny fampianarana ambony. Mpanabe amin’ny alalan’ny haisoratra malagasy no nanao ny teny fanolorana. Anisan’izany Ratrema William (mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, talen’ ny vondrom-panabeazana Aceem) sy Andrianasolo Hajaina (poety, mpanoratra, filohan’ny Havàtsa-Upem).
Nomarihin’i Esther Raso­loarimalala Randriama­monjy fa : « tao anatin’ny fihibohana no nanoratana ity boky ity, raha nialoha kelin’io fotoana io no nanoratana ny « Vainafo eo an-doha ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: