Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, ny hetsika “The Blind date”, fampisehoana Slam-Poésie iarahana amin’i Hichim, tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Slam-Poésie, taona 2022. Tanjona amin’ity fampisehoana ity ny fanomezana lanja manokana ny fitiavana.
Hiaka-tsehatra indray i Hichim na Abdoul Anlim Abdillah, taorian’ny naha voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara azy. Hiantsa ireo sanganasany sy hampiseho ny mampiavaka azy izy amin’ity fampisehoana ity. Omena lanja sy somary habahana mandritra ity fampisehoana ity ny resaka fitiavana. Hampiavaka azy fotsiny ny fanehoana izany amin’ny alalan’ny Slam-Poésie. Ao anatin’izany, ny mahakasika ny fetin’ny mpifankatia nankalazaina ny 14 febroary teo.
“Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny Slam-Poésie, izao hetsika izao. Mbola maro anefa ny fiomanana sy fanomanana hatao mandra-pahatongan’ny fotoana”, hoy i Hichim.
Lin (Mpianatra asa)