Mamelona, mamerina, mampiaina ary mampita. Izay no lalan-tsain’ny “Kanto Miampita”, na ny fandaharana amin’ny onjam-peo, na ny andiam-pampisehoana. Hiompana amin’ireo hira nataon’ny tarika Les Surfs indray ny andiany faharoa.
Marina fa tsy namoron-kira ry Rabaraona 6 mianadahy… Mpamerin-kira anisan’ny nanana ny lazany koa ny tarika Les Surfs, ary hatrany ivelany izany. Ireny hira nanamarika ny vanim-potoana nanodidina ny taona 1960 ireny no haverina an-tsehatra indray, mandritra ny “Kanto Miampita” andiany faharoa, hotontosaina ny zoma 15 mey izao, manomboka amin’ny 8 ora alina eny amin’ny CCI Ivato. Nosafidiana manokana hamelona izany kosa ireo mpanakanto efa manana ny lazany, toa an’i Nanie, Inah, Mahery Johary ary i Mbola Talenta.
“Anisan’ireo tarika malagasy nalaza voalohandohany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Les Surfs. Mety hoe maro ireo tsy nahalala azy ireo fa mahay ny hirany, satria nametraka tantara teo amin’ny zavakanto malagasy izy ireo. Ny hiran’ny Mahaleo no nosafidianay tamin’ny andiany voalohany ary heverinay fa tsy latsa-danja amin’izany koa ny Les Surfs amin’ity andiany faharoa ity”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.
Nahoana no ireo mpanakanto ireo no nosafidiana?
“Satria nojerena aloha ireo efa manana ny lazany sy afaka mamerina tsara ireo hiran’ny Les Surfs. I Mahery efa iaraha-mahalala amin’ny fifehezany ny famerenan-kira. Manana ilay feo tsara manakaiky amin’ny an’ireo mpihira vehivavin’ny Les Surfs tamin’izany fotoana kosa i Nanie sy i Inah. I Mbola Talenta indray fantatra eo amin’ny fiangaliany ny gitara, ary izy rahateo no miandraikitra ny fandrindrana ny lafiny zavakanto amin’ny seho, amin’ny ankapobeny, “hoy ihany ny fanazavana. Na izany aza, tsy ny hiran’ny Les Surfs irery no hatao ao, fa eo koa ireo hira malagasy nalaza tany amin’ny taona 60, 70 ary 80, izay anatin’ilay lalan-tsain’ny “Kanto Miampita” hatrany.
Zo ny Aina




