Ny ray aman-dreny, mpitaiza sy mpanabe. Fahiny, mitombina sy tsara fototra io. Ankehitriny, mitsingilaila tanteraka izany. Misy lesoka lehibe ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny mihitsy no mampirisika ny zanany hanaotao foana. Mety tsy mivantana fa an-kolaka ny fisehon’io tranga io. Avy amin’ny tsy fandraisana andraikitra, ohatra. Tany ambadik’Imanareza, ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsankazo. Amin’izao fotoana, tsy azo kapohina, hono, ny zaza (fomba fanao any amin’ny firenena matanjaka)… Dia tsy mikapoka ihany koa ny Malagasy. Ray aman-dreny fa tsy mikapoka? Zaza manao ny tsy mety, fa tsy kapohina? Saika nanjakan’ny tranga tahaka izany ny ankamaroan’ny fiarahamonina eto Madagasikara. Nanjary sadasada ny Malagasy.
Lasa fomba fiaina mahazatra ny mampiray lalana ny zava-mifanohitra. Satria, mihevi-tena ho vahiny. Tsy manome lanja intsony ny fady. Mieritreritra fa tsy misy ny tody. Tonga hatrany amin’ny fanivaivana ny maha izy azy manontolo (razana nipoirana, fomba amam-panao…). Nanjary sadasada ny Malagasy.
… Hatramin’izao, mbola tsy manangasanga eo amin’ny Malagasy sasany ny fahafantarana ny lamina voajanahary. Io, anefa, no laharam-pahamehana hoenti-manarina ny maha sadasada ny Malagasy. Raha tsy izany, tsy hijanona sadasada fotsiny, intsony, ny Malagasy fa hiofo ho…
HaRy Razafindrakoto




