TARATRY ny KANTO

“Slam-Poésie”, eny amin’ny Craam Ankatso. Rahampitso manomboka amin’ny 3 ora izy ity, hanasana ireo manan-talenta amin’ny filalaovan-teny rehetra. Malalaka ny sehatra hizarana ny talenta amin’ny slam sy ny poezia. Tsy mifidy taona, tsy manavaka fiteny fa mety avokoa izay havoakan’ny aingam-panahin’ny mpandray anjara.

Nandray ny asany omaly, ny tale jeneralin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina na Anac. Voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 5 mey lasa teo, hitana izany toerana izany, Rarivoson Jeannot Chançard, handimby ny tale jeneraly teo aloha, Ratovonirina Vonjiniaina. Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Antenaina hanohy ny fampandehanana ny Anac ny tale jeneraly vaovao sy ny ekipany.

Notolorana ny mariboninahi-pirenena “Offi­cier de l’ordre national” i Marius Rafiakarana na i Chef Marius, ny faran’ny herinandro teo. Fankasitrahana azy noho ny zava-bitany amin’ny hainahandro nandritra ny 40 taona nanaovany izany. Anisan’ny nampalaza azy ny nizarany ny traikefany amin’ny hainahandro tamina fandaharana amin’ny fahitalavitra.

Partager sur: