Tafiditra ao anatin’ny politikam-pampandrosoana entin’ny Vovonana « Rassemblement des agriculteurs libres et indépendants » na Rali, ny fanomezan-danja ny mpiantsehatra rehetra anatin’ ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana. Tanjona ny hisian’ny fifandanjan’ny tombontsoa azon’ny tsirairay. Manomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina izany.
Andaniny, ny tantsaha tsy iankindoha amin’ireo voalaza ho mpiara-miasa aminy. Ankilany, tsy tokony hanao ampihimamba ny mpahazo tombontsoa mihoapampana. Zava-dehibe ny fifampitsinjovana sy ny fitsinjarana ara-drariny.
Ankoatra ireo, mipetraka ho elanelam-panahy ny Vovonana amin’ny fitadiavam-bahaolana mahakasika ny sedra isan-karazany mampihitsoka ilay seha-pihariana. « Marary tanteraka ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana kanefa voalaza ombieny ombieny fa 80 % ny Malagasy dia tantsaha. Manana adidy isika (izahay) amin’ny maha tantsaha hitondra ny anjara birikinay. Efa mipetrapetraka ny sampana amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, efa misy ny ekipa eny amin’ny distrika », hoy Ralaimahary Linot, filoha nasionalin’ny Rali.
Manentana ny tantsaha mba hivondrona sy hanamafy firaisankina izy.
Miahy tena ny Vovonana izay ivondronan’ny fikambanana sy ny kaoperativa isan-karazany avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. « Mbola mijanona ho vovonana 100 % Malagasy izahay. Mipetraka ho mahaleo tena ihany koa, saingy vonona ny hiara-miasa amin’ny fanjakana, izay raiamandrenin’ny tantsaha », hoy hatrany ny filohan’ny Rali Madagasikara.
Misokatra ho an’ny fikambanana, na olon-tsotra, na tomponandraikitra eny ifotony ny Vovonana.
r.r




