Horonantsary mamoafady: Handraisana fepetra ireo mpanaparitaka

Loza mitatao! Maro loatra ireo horonantsary mamoafady miparitaka, indrindra anatin’ny tambajotran-tserasera. Efa sady tsy voafehin’ny Malaga­sy ny fampiasana azy ireny, no lasa fitaovana manimba ny ankizy sy ny tanora ihany koa. Manoloana ireo tranga marobe nahazoana fitarainana, namoaka taratasy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera.
« Iarahantsika mahita fa mihabetsaka ireo horonantsary mamoafady mivoy hevitra sy teny feno fahavetavetana iniana aparitaka eny amin’ny tambajotra sosialy, ankehitriny. Koa mampahatsiahy etoana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina fa ny fanapariahana azy ireny imasom-bahoaka na amin’ny tambajotran-tserasera izay mety hanohintohina ny soatoavina, ny fivoaran-tsaina, ny fanabeazana ary ny fifandraisana ara-tsosialin’ny ankizy sy ny tanora malagasy, dia mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna manan-kery, ary misy ny fepetra raisina manomboka izao manoloana ireo minia mihoa-pefy. Ampahatsiahivina etoana fa ankoatra ireo lalàna malagasy, i Madagasikara dia nanao sonia ireo lalàna iraisam-pirenena maro, indrindra ireo mpiaro ny zon’ny ankizy… », hoy ny votoatin’ny fanambarana.
Mbola nohamafisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, ny fanambarana, omaly. Nanteriny ireo fepetra horaisina sy ny fanenjehana ireo olona minia manaparitaka ireo horonantsary mamoafady.
Manaiky ary manamafy fa zo fenon’ny tsirairay ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa famoronana ny minisitera. Mampahatsiahy ihany koa anefa fa ny fampiasana ireo zo ireo dia tokony hatao ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna velona sy manan-kery, ny fiarovana ny zon’ny ankizy ary indrindra ny soatoavina malagasy.
Ny fakana sary sy ny fanapariahana horonantsary eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara rahateo dia mila hatrany ny fahazoan-dalana avy amin’ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy (ISSM).

Zo ny Aina

Partager sur: