Tovolahy maty voatsindrona antsy : Tompon’antoka ny ray aman-drenin’ny sipany

Nifanao fotoana ary avy eo notsatohin’izy ireo antsy, ny lehilahy iray, izay sipan’ny zanany vavy tetsy Anosipatrana. Ny ray aman-drenin’ilay tovovavy no tompon’antoka sy atidoha nikotrika ny vono olona. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja.

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antani­mora, afakomaly, ireo olona dimy mianaka, izay voarohirohy tamin’ny famonoana lehilahy iray tetsy Anosipatra­na, ny 8 mey 2026 lasa teo, rehefa niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy. Raha tsiahivina, novonoin’ny olona maromaro tetsy Anosipatrana, akaikin’ny trano dimy, ny lehilahy iray, ny 8 mey 2026 lasa teo. Nifanao fotoana teny an-toerana ity lehilahy maty ity sy ny tovovavy 18 taona izay sakaizany taloha, tamin’io fotoana io. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva ny fotoana nifanomezana. Efa nisy tovolahy maromaro niandry kendry tohina teny amin’ny manodidina, tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay le­hilahy teny an-toerana. Niara­ka tamin’ny sipany iray vaovao sy ny rainy ilay tovovavy taorian’izay. Notsatohan’izy ireo antsy avy hatrany ilay lehilahy efa niandry teo ka maty tsy tra-drano. Nandositra ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampandre ny polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato. Natao ny fanenjehana sy fikarohana ireo olon-datsy ka voasambotry ny fokonolona sy ny polisy teny an-toerana ireo olona telo tamin’iny andro iny ihany. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka bevava etsy Anosy.
Niaiky ny heloka vitany ireo olona telo ireo ary nanondro ny namany hafa izay niray tsikombakomba. Ireto farany izay tafa­tsoaka tamin’ny andron’ny fa­monoana. Natao ny fikarohana ary voasambotra ny 09 mey 2026 lasa teo ny lehilahy roa hafa.

Mampijaly
Atidoha nikotrika iny vono olona feno habibiana iny ny ray aman-drenin’ilay vehivavy. Efa nandritra ny fotoana ela no nanomanana izany fa tamin’iny andro iny vao tanteraka. Nandrasan’izy ireo kendry tohina ilay lehilahy sipan’ny zanany vavy teo aloha, ka novonoin’izy ireo ho faty. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, mbola miaraka ilay lehilahy maty sy ilay vehivavy nahavanon-doza tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy tian’ny ray aman-drenin’ny vehivavy anefa izy io satria mampijaly ny zanak’izy ireo vavy sy ireo rafozany ka antony namonoany azy. Marihina fa mbola misy olona iray karohin’ny Polisy tafiditra amin’iny raharaha iny. Andrasana hitolo-batana satria tsy maintsy ho tratra ihany.

Mino

Partager sur: