Hatraiza marina ny fahefam-panjakana eto Madagasikara? Mampametra-panontaniana ny mahakasika ny resaka teny anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, tato ato izay. Tena mijoro ho mpanohitra ny didim-panjakana navoakan’ilay fitondrana ny mpiasa. Tsy ekena ny minisitra « sinoa ». Izao nolavina indray ny sekretera jeneraly « gasy ». Inona no antony?
Ny zava-misy aloha, malalaka ny tsirairay haneho hevitra sy hikatsaka izay metimety aminy. Afaka mijoro ho mpanohitra sy tsy mpankasitraka avokoa ny olom-pirenena. Notakina rahateo izany nandritra ny fandrodanana ny fanjakana teo aloha. Nomena fahalalahana tokoa! Saingy tsy natao hihoaram-pefy anefa izany fa entina mametraka arofanina amin’ny fioharam-pefy ataon’ny sasany.
Na inona na inona fahalalahana sy fahafahana nomena, tokony hipetraka kosa ny fanajana ny lalàna sy ny rafitra an-tanan-tohatra isan-karazany. Tena ny minisitra mpiahy izao no tsy mazavazava amin’ny fandehan-javatra rehetra ao amin’ilay minisitera. Tsy hita izay nisy azy, omaly, kanefa toa eto an-drenivohitra ihany. Midika fa mitsipaka ny Filohan’ny fanavaozana ve izany izy? Mandrefy fanjakana.
Mazava ny zotra, misy ny lehibe tokony ho to teny. Rehefa tsy mipetraka izay, tokony handini-tena avokoa ny rehetra. Fahendrena sy fahaizana politika ny tsy niverenan’ny Filoha tamin’ny fanendreny olona iray iny. Porofo ny maha marefo ny fanaovana izany. Izao aza mbola matanjaka ny kiana, satria, tsy hifanarahan-kevitra velively, araka izany, ny laharana roa voalohany ao amin’ny minisitera.
Tsy tokony ho hadino fa toerana politika ny maha minisitra. Tomponandraikitra voalohany amin’ny teknika sy ny raharaham-panjakana ny sekretera jeneraly. Mazava ho azy fa tena tompon’ny lakile ity farany ka mila mampiray saina ny roa tonta!
r.r




