Slam – Amboara maneran-tany : Latsaka teo amin’ny manasa-dalana i Ampisafy Ma-Fia

Nampitaintaina… Fa indrisy, tsy tafakatra hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny Slam ny Malagasy. Efa avo lenta kosa ny tolotra nomaniny.

0,1… Salanisa faran’izay bitika no nahalatsaka an’i Ampisafy Ma-Fia teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, nandritra ny fifaninanana iadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny Slam na ny « Grand Poetry Slam », andiany faha-20, tany Paris. Notontosaina ny alakamisy teo ny manasa-dalana voalohany, nilaharan’i Madaga­sikara tamin’ireo firenen-kafa izay manana mpifaninana efa katraka amin’ny slam ihany koa: i Chypre, Ecosse, France ary Côte d’Ivoire. Nihintsana saingy tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy, satria tsapan’ny rehetra, indrindra ho an’ireo nanaraka na nivantana na nampitain-davitra, fa tena avo lenta ny fifaninanana, saingy tsy latsa-danja tamin’izany ny tolotra narindran’i Ampisafy Ma-Fia an-tsehatra. Na ny fisafidianana ny lohahevitra, ny fanehoana izany amin’ny teny sy fihetsika, samy nandona ny fon’ny mpitsara sy mpanatrika avokoa.
Raha tsiahivina, nisolo tena ny faritra Boeny i Ma-Fia, nandritra ny « Madagaslam Festival 2025 » , ary voahosotra ho tompondakam-pirenena amin’ny slam taorian’izay. Nahazoany ny tapakila hisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity « Grand Poetry Slam » izay tontosaina any France amin’izao fotoana izao, izany. Tsy miova amin’ny lalantsaina nosafidiany, dia ny adidisika hataony ho an’ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny tsy rariny, ny fanasongadinana ny tanora, sns.
Dingana lehibe no vitany, saingy mbola voalohany ihany koa izany. Efa hiatrika sahady ny tohin’ny diany any ivelany izy, satria hihazo an’i Allema­gne, aorian’ izao, hanatontosa seho isan-karazany, arahina fifampizarana traikefa.

Zo ny Aina

Partager sur: